Manambara ny finoantsika an'i Jesoa Kristy isika dia araka ny tenin'i Jaona Mpanao Batisa hoe :
″Indro ny Zanak'Andriamanitra Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao (Jaona 1. 29)″
sy araka ny tenin'i Andrea hoe :
″Efa nahita ny Mesia izahay (Jaona 1. 41) ″
sy araka ny tenin'i Samaritana hoe :
″Ny tenanay no nandre ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao (Jaona 4. 42)″
sy araka ny tenin'i Natanaela hoe :
″Raby รด, Ianao no Zanak'Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan'Israely (Jaona 1. 49)″
sy araka ny tenin'i Petera hoe :
″Ianao no Kristy Zanak'Andriamanitra velona (Matio 16. 16)″.
″Ianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay (Jaona 6. 68)″.
sy araka ny tenin'i Tomasy hoe :
″ Tompoko sy Andriamanitro (Jaona 20. 28)″
Amena.