FP Faharoa

Isika mino an'Andriamanitra Iray, Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany, ary ny zavatra rehetra na ny hita nany tsy hita. Ary an'i Jesoa Kristy Tompo Iray, Zanany Lahitokan'Andriamanitra, nateraky ny Rainy talohan'izao rehetra izao, ny Mazava avy amin'ny mazava, Andriamanitra tokoa avy amin'Andriamanitra, nateraa fa tsy natao, miray amin'ny Ray amin'ny zavatra rehetra. Izy no nahariana izao tontolo izao, noho ny amintsika olombelona sady ho famonjena antsika dia nidina avy tany an-danitra Izy, ary nataon'ny Fanahy Masina nofo avy tamin'ny Maria Virjiny, dia tonga olona Izy

Nohomboana teo amin'ny hazo fijaliana ho fanavotana antsika, tamin'ny nanapahan'i Pontion Pilato Izy. Nijaly Izy ka nalevina, nitsangana tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo araka izay voasoratra Izy. Niakatra ho any an-danitra Izy, ary mipetraka eo an-kavanana'ny Ray. Avy any no hiaviany indray hitsara ny velona sy ny maty, ary mandrakizay ny Fanjakany.

Isika mino ny Fanahy Masina, Tompo sady mpanome aina, Izay avy amin'ny Ray sy ny Zanaka ka itsaohana sy ankalazaina miaraka amin'ny Ray sy ny Zanaka. Izy dia niteny tamin'ny vavan'ny mpaminany.

Isika mino ny Fiangonana iray, miorina amin'ny fanambaran'ny Apostoly, ary manerana izao tontolo izao.

Isika manaiky ny batisa iray ho famelan-keloka sady manantena ny fitsanganan'ny maty ary ny fiainana mandrakizay.

Amena.