Mino an'Andriamanitra Tsitoha aho, Izay Mpanao ny lanitra sy ny tany. Andriamanitra dia Fanahy. Andriamanitra dia fitiavana. Andriamanitra dia manjaka hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Andriamanitra dia mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika i Kristy.
Mino an'i Jesoa Kristy, Zananilahy Tokana Tompotsika aho. Tonga izy hitady sy hamonjy ny very. Izy no lalana sy fahamarina ary fiainana. Izy dia tsy miova homaly sy anio ary ho mandrakizay.
Mino ny Fanahay Masina aho. Izy nanambara amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray.
Ny fandresena izay enti-mandresy izao tontolo izao dia ny finoantsika. Tompo ô, ampitomboy ny finoanay Anao.
Amena.