FP Voalohany

Mino an'Andriamanitra Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany aho. Ary Mino an'I Jesoa Kristy Zanany Lahitokana Tompontsika. Izay notorotoronina tamin'ny Fanahy Masina, naterak'i Maria Virijiny. Nijaly raha nanapaka Pontio Pilato, nohombohina tamin'ny hazo fijaliana. Maty ka nalevina. Nidina tany amin'ny fiainan-tsi-hita. Nitsangana tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo, niakatra ho any an-danitra. Nipetraka eo ankavanan'Andriamanitra Ray Tsitoha, avy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty.

Mino ny Fanahy Masina aho. Ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao, ny fiombonan'ny olona Masina, ny famelan-keloka, ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty, ary ny fianana mandrakizay.

Amena.