Manolotra ny zanakay ho an'Andriamanitra Raintsika izahay. Ekenay ny hijoro na amin'ny teny na amin'ny asa ho mpanompon'Andriamanitra mahatoky mba hahatonga anay ho fianaran'ny zanakay amin'ny androm-piainanay rehetra. Ekenay ny hanatanterahan'ny Fiangonana amin'ny zanakay ny fitaizana rehetra araka ny Filazantsara tokony hatao aminy mba hitomboany amin'ny fahalalana izao fahasoavan-dehibe raisiny avy amin'Andriamanitra izao sy hanekeny an'i Jesoa ho Tompo mba hahazoanay hery handavany ny asan'ny satana rehetra. Vonona ny hivavaka ho azy sy hampianatra azy hivavaka ka hampiditra azy ho mpianatra Sekoly Alahady izahay. Ekenay ny hampianatra azy ny anton'izao fanaovam-batisa izao ary ezahinay ny hitaona azy ho Mpandray ny Fanasan'ny Tompo.
Ny herin'Andriamanitra no iankinanay hahatanterahanay izany.
Amena.
Eto anatrehan'Andriamanitra sy ny fiangonana : manaiky aho fa i Jesoa Kristy no Tompoko sy Andrimanitro. Ekeko ny hanompo Azy eo amin'ny Fiangonana miaraka amin'ny namako araka ny fanambaran'ny tenin'Andriamanitra. Ekeko ny handà an'i satana sy ny asany ary ny fanao ratsy rehetra. Ekeko ny hiroso mba ho tonga mpandray ny Fanasan'ny Tompo
Ny herin'Andriamanitra no iankinako hahatanterahako izany.
Amena.