Diakona

Eto anatrehana'Andriamanitra sy ny Fiangonana dia manaiky aho fa :

1. hazoto hivavaka sy hamaky ary hianatra ny Soratra Masina. Hizara sy hampiasa izany koa amin'ny hafa.

2. ho naman'ny Mpitandrina, ka hiara-miasa aminy amin'ny fahazotoana, eo amin'ny fiandrasana ny ondrin'Andriamanitra.

3. hitandrina tsara ny filaminan'ny fanompoam-pivavahana eo am-piangonana sady hamonjy ny fivoriana rehetra, araka izay farany azoko atao.

4. hanaja sy handefitra amin'izay hevitra tapaky ny maro, sady hiaro lalandava ny firaisan'ny Fiangonana tsy ho simba.

5. hanao izay azoko atao amin'ny fandavorarian'ny Fiangonana ny adidiny rehetra ara-bola.

6. hitaiza ny kristianina hanao ho vaindohan-draharaha ny asa iombonana amin'ny synoda sy ny fampielezana ny Filazantsara any ivelany.

7. hitandrina ny ankohonako hazoto amin'ny fanompoana an'Andriamanitra, mba tsy ho ny tenako ihany no ho marika halain'ny fiangonana tahaka, fa izy ireo koa.

Ny herin'Andriamanitra no iankinako hahatanterahako izany rehetra izany.

Amena.