Mariazy

Fanekena

Eto anatrehan'Andriamanitra sy ny Fiangonana, izaho ... dia manaiky anao ... ho vadiko, manaraka ny fomban'ny fanamadiana kristiana. Hatramin'ity andro ity, na mitombo harena isika na mihamalahelo, na finaritra, na marary, ho tia sy hamelona anao aho, na inona na inona manjo antsika, ary hijanona aminao irery mandra-piavian'ny fahafatesana.

Ny herin'Andriamanitra no iankinako hahatanterahako izany.

Amena.

Peratra
Lahy

Omeko anao ity peratra ity ... ho fahatsiarovana sy ho famanatarana fa izaho efa nampakatra anao ho vadiko.

Vavy

Omeko anao ity peratra ity ... ho fahatsiarovana sy ho famanatarana fa izaho efa nampakarinao anao ho vadinao.