Mpiandry

Eto anatrehan'Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina, ary eto anatrehan'ny Fiangonana vavolombelona dia :

Manaiky marina aho fa hanatanteraka ny asan'ny Mpiandry araka ny antso sy ny fepetra efa nekeko ary ny fampiaranarana efa nampahafatarina ahy

Ekekeo ny hanatanteraka ny asa rehetra araka ny fandaminan'ny FJKM, ka hijoro ho vavolombelon'i Jesoa Kristy amin'ny teny sy ny asa, amin'ny fomba amam-panao rehetra, ka hifady ny zavatra rehetra mifanohitra amin'ny maha Mpiandry ahy.

Ekeko ny hihazona ho an'ny tenako samirery izay zavatra ambaran'olona amiko ary hitandrina ny ankohonako mba mba hiaina amin'ny filazantsara

Ny herin'Andriamanitra no hangatahiko hahatanterahako izany.

Amena.