1. Jeso vato fehizoro
Afa- tahotra ny fo
Raha Ianao no mampijoro
Sy iankinana tokoa.
Vato fiorenanay
Jeso Zanaky ny Avo
Vato fialofanay
Amin- dratsy te handavo.
Fiv : Vato azo itokiana
Sady tsy mba mivena
Afaka ny fahoriana
Raha ianao no ekena.
Jesoa Tompo irery
No 'lay vato tsy mifindra
Jeso Tompo irery
No 'lay fehizoro indrindra.
2. Jeso vato fehizoro
Mampisinda ahiahy
Fa mandresy horohoro
Manatanjaka fanahy.
O, ry vato tsara paika
'Zay mandray Anao am-po
Dia mijoro tsy miraika
N'inon'inona manjo.
Vato azo itokiana sns...