2.Tanako mangadihady
Nisarangotra nitady
Fanavotana sy Vonjy
F'efa resy ka nilonjy.
Dia noraisinao ry Tompo
Na dia tànana maloto
O voavotrao 'lay very
Ry Fitiavana mahery.
3. Foko tena fahavalo
Nefa resy ka mimalo
Raha nifona fa naditra
Hitanao nipitrapitra.
Babo ka tsy afaka ho aiza
'Zay noraisinao ho sakaiza
O voavotrao 'lay very
Ry Fitiavana mahery.