Efa trotraky ny adin-tsaina Vao mba mahatsiaro anao ry Tompo Menatra aho tsy sahy mitaraina Ry Jesoa Fitiavana
Kanjo tambitamby, safosafo No nasetrinao ny ditrako Eny tsapako fa novidiana lafo Tamin'ny Ranao ny tenako
Jesoa Malalako! tafio ny herinao Hahaizako mandresy ny fakam-panahy He, tsinontsinona izao tontolo izao Fa fanimbana tena, saina sy fanahy
Ho reharehako ilay tanambokovoko Hihamina eo anilanao anie ny foko Fa eo anilanao tsy misy ny toloko Eo no mahatsara ahy, Jesoa