F.Fanampiny 23

Andriamanitra ô ! Ry Tompo Zanahary

1. Andriamanitra ô ! Ry Tompo Zanahary
Be fitiavana, mamonjy sy mamelona Vatolampy, toky tsy mifindra
Fa maharitra mandrakizay

Fiv : Raha ny eto an-tany
Dia mandalo ihany
Miovaova
Tsy azo ianteherana
Be no efa voa
Ka mamoy fo
Fa izany
No fomban'ny tany

Toa fiainana raha jerena
Kanjo indrisy fa mahonena
Hasambarana miserana ihany

2. 0! ry velona tsarovy ny andronao
Fa mandalo tsy mba manam-pijanonana
Ka tandremo sao variana ianao
'Zao tontolo izao ho levons avokoa

Raha ny eto an-tany, sns...

3. Mbola ho entin'Andriamanitra hotsaraina
'Zaho sy ianao, ka tsy ho afa-maina
Fa Jesoa Mpanjaka no hitsara
Ka hanavaka ny tsara sy ny ratsy

Raha ny eto an-tany, sns...