1- Tsy misy reharehako
Afa-tsy Ianao, Jesosy ô !
Anao ny hery, Anao ny haja
Sy voninahitra
Ny fasana sy ny fiainan-tsy hita
Indro efa resinao
Izao tontolo izao dia nahita
Fa efa nitsangana Ianao
Fiv :
Sambatra aho, Jeso ô,
Manana Anao izay Tompon'ny hery.
Sambatra aho, Jeso ô,
Miankina eo an-tratranao
Ampy ahy ny fitiavanao
Ampy ahy ny finoako Anao.
Raketiko ao am-po lalandava
Fa reharehako Ianao
2- Tsy misy nahitam-pamonjena
Afa-tsy taminao.
Nanaiky Ianao tsy mba noterena
Hitondra aina vao.
Ny tananao mahery natsotranao
Mba hitantana
Hahaizako mandeha sy mizotra
Ny làla-marina.
Sambatra aho, Jeso ô...
3- Nasehonao ilay fahefana
Manda sy aroko,
Ka niala maina teo ilay satana
Ilay fahavaloko
Tsy misy maharombaka akory
Izay eo an-tananao
Izany indrindra no ilazako
Fa reharehako Ianao
Sambatra aho, Jeso ô...