F.Fanampiny 36

Mifalia

1. Vahoaka sesehena
No miara-paly izao
Miventy ny Antema
Dia hira vaovao
Injao ny fiderana
Manakoako ery
Maneho fanajana
Ho an'ilay Mesia

Fiv : Iza àry no tsy hifaly
(Mifalia, mihobia)
Hisaotra ao am-po
(Misaora ao am-po)
Fa afa-doza, afa-jaly
(Afaka ianao)
He! famonjena tokoa
(0!) Mihirà, mihobia Afaka ianao
Teraka ny Tompo Tia
Resy ny rafinao

2. Tsy ireo Anjely ihany
No faly ao am-po
Ny mpino eto an-tany
Miravo avokoa
Fa indro ny Mpamonjy
Mpanjaka be fitia
Nietry an-tranon'omby
Hamonjy ny mania

Iza àry no tsy hifaly ...