F.Fanampiny 38

Mba todihonao ny lasa

1. Mba todihonao ny lasa
Dia ho hitanao ny asa
Nandaniana ny fotoana
Fa dia vita mora foana

Fiv : Mitsangàna, sahia !
(sahia !)
Mijoroa, mitoria
(mitoria !)
Aza kivy, sanatria
Fa aminao Kristy.

2. Eny, tsara ho tsaroana
'Reo adidy nokoloina
Maro koa no tsy tontosa
Nampitsoaka ny kanosa

Mitsangàna, sahia ! sns ...

3. Aoka hiezaka hatrany
Mba hanarina izany
Fa hipetraka ho tantara
Ho an'ny zanak'amam-para

Mitsangàna, sahia ! sns ...