F.Fanampiny 42

Moa misy va?

1. Moa misy va ety,
iriko toa Anao ?
Ry Tompo be fitia,
Mpanao izao rehetra izao
Ny foko lasanao,
ry Ray Malala ô !
Jereo ty zanakao
izao miantoraka Aminao

2. Moa misy va ety,
iriko toa Anao ?
Jeso sakaiza,
avia Hianao hiara-dia izao
Ny foko tia Anao,
oneno, anjakao
Tsy hatakaloko Hianao,
"Ry fiainako vaovao"

3. Moa misy va ety,
iriko toa Anao ?
Fanahy hendry ery,
Mpanoro izay rehetra atao
Ny foko, he !
Anao, Fanahy Masina ô !
Ny fiainako ovay ho vao,
ka hamasinonao

4. Moa misy va ety,
iriko noho Ilay
Nesoina tany Kalvary,
'Lay Indrafon'ny Ray
Jeso Malala ô !
Endrey 'ty vitanao
Hianao no hetahetako
sy hasambarako