F.Fanampiny 43

Aiza moa ianao ?

1. Jesosy Tompo miantso anao
Manontany izao :
"Aiza moa ianao?"
Ny ondrikeliko noana indreo
Miandry anao re ireo
"Aiza moa ianao ?"

Fiv :
'Ty aho, Jeso,
(ekeo mba) ho irakao
Raiso hanao ny sitrakao tokoa
Jesosy ô !
(omeko) mba ho Anao
Ny foko, tenako sy fanahiko

2. E! làlan-tsarotra ilàna anao
Ady mafy no ao :
"Aiza moa ianao ?"
Reseonao'zao tontolo izao
Mba ho Ahy re izao
"Aiza moa ianao ?"

'Ty aho, Jeso, sns...

3. Ny hery, aina sy fanananao
No ilaiko izao :
"Aiza moa ianao"
Ny tenanao sy ny fanahinao
No takiako izao
"Aiza moa ianao" ?

'Ty aho, Jeso, sns...

4. Ny sandriko no hiaro anao
Hisakambina anao
"Aiza moa ianao ?"
Raha ny Fanahy no hitantana anao
Vonona ve ianao ?
"Aiza moa ianao ?"

'Ty aho, Jeso, sns...