48 Fihirana
F.Fanampiny 48

Andriamanitra, Fitiavana Ianao

1. Andriamanitra, Fitiavana Ianao
Ka mihevitra ny momba anay ety
Raha mifoha maraina izahay
Dia tsy afaka am-bavanay ny hoe
Ampy ho anay ny Fahasoavanao

Fiv :
Raha maraina mibaliaka ny andronay ety
Ianao no masoandro niaviany
Raha ny alin'ny ririnina no handalo ety
Ianao no kintana hitantana ny dia
Ka ny vavaka atao
Izay mipololotra am-ponay ao hoe:
Izahay anie hatoky Anao

2. Andriamanitra, Fitiavana lanao
Ka mitantana ny dianay ety
Raha mandimby ny andro ny alina
Mbola tokana ny Deranay hoe :
Ampy ho anay ny Fahasoavanao

Raha maraina mibaliaka ny andronay ety, sns...