F.Fanampiny 53

Havaoziko ilay voady

1. Tsy ho toy izao, Jesoa
Ity mpanomponao
Raha toa tsy tao tokoa ny fahasoavanao
'Zay nanohana 'lay hery kely tao ampoko
Nahazoako mba nanao
Ny asam-panompoako!

Fiv :
Indro fa havaoziko ry Jesoa
'Lay voady miorina ao am-po
Ny andro ivelomako
'Zay omenao iainako
Dia atokako sy mbola hitoriako
ilay fitiavanao!

2. Ny asa izay natao, Jesoa,
Dia tsapako ao am-po
Fa tsy dia toy inona sy bitika tokoa
Nefa na izany aza dia inoako koa
Fa 'zay kely vitako hitera-boka-tsoa.

Indro fa havaoziko ry Jesoa sns...

3. Na ho lava na ho fohy
Ny androko ety
'Zaho dia irakao, ry Jesoa Tompo be fitia!
Ka ilay fitiavanao miorim-paka anaty
No hanafy herim-pitokiana mandramaty!

Indro fa havaoziko ry Jesoa sns...