F.Fanampiny 54

Finoana, fanantenana, fitiavana

1. Mandrosoa hatrany
Aza kivy foana
Zava-tsoa tsy lany
Ao anatin'ny finoana.

Fiv :
'Reto no miray
Hery lehibe tokoa dia
Ny finoana,
Ny fanantenana,
Ny fitiavana.

2. Tano tsy ho very
Ny fanantenana
Fa mitondra hery
Eny an-dàlana ombana.

'Reto no miray sns...

3. Aina vaovao
Herin'ny fanahy
Ny fitiavanao
Ka tanako tokoa ho ahy.

'Reto no miray sns...