FFPM 3
3 - Isaorana anie Andriamanitsika
1. Isaorana anie
Andriamanitsika
Fa fitahiam-be
Omeny ho antsika
Hatreo ambohoka
Ka mandraka antitra,
Isika henika
Ny soan'ny lanitra

2. Tsy mety tapitra
na lany ny hareny,
Tsy hita faritra
ny sisa izay homeny;
Fanahy sambatra
Sy fo miadana
No efa santatra
Izay ananana.

3. Ny Ray sy Zanaka
sy ny Fanahy koa,
Derain'ny masina
ho Tompo iray tokoa;
Andriamanitray
Be fahasoavana
No anateranay
Izay fisaorana.