4 - Mamy ny fitianao
1. Mamy ny fitianao,
Ry Jehovah Tomponay!
Foinao ny Zanakao,
Ho Mpanavotra anay.
Tsy mba misy tokinay
Afatsy ny Zanakao.
Ka misaotra Anao izahay
Noho ny fitianao.
2. Mamy ny fitianao,
Mahafaly fo tokoa;
Izahay avelanao
Mba hibebaka avokoa.
Lasa lavitra izahay,
Nefa notadiavinao;
Efa ratsy izahay,
Nefa tsy nafoinao.
3. Mamy ny fitianao,
Izay andraisanao anay
Honina ao an-dapanao
Raha ho faty izahay
Noho ny rastsy izay natao,
Loza no anjaranay,
Nefa namboaranao
Paradisa izahay.
4. Mamy re, ry Tomponay!
Izao fitianao izao,
Ka indreto izahay
Avy mba hisaotra Anao.
Raiso re izao saotra izao,
Fa fanati-tsitrapo;
Tsy mba mendrika ho Anao,
Nefa vokatry ny fo