5 - Jehovah, Ray an-danitra
1 Jehovah, Ray an-danitra,
Mpamelona anay !
Tsinjovy ny mpanomponao,
Tsarovy izahay.
2 Jehovah, Ray mamindra fo !
Henoy ny hatakay ;
Ekeo sy raiso ho Anao
Ny dera entinay.
3 Jehovah, Ray mahari-po !
Vonoy ny helokay ;
Diovy ny fanahinay,
Velomy izahay.
4 Jehovah Ray ! ny antranao
No itokianay ;
Ambara-pahafatinay
Hisaoranay Hianao.