FFPM 6
6 - Avia miondreha
1 Avia miondreha,
Ry vazan-tany รด !
Fa lehibe Jehovah,
Sy masina tokoa ;
Miankohofa tsara,
Manatona Azy izao,
Haneho fanajana
Ilay Mpanao anao.

2 Andriananahary,
Manaiky izahay
Fa Aminao ny hery
Tsy hay toherina ;
Tsy misy maharara
Ny tianao hatao,
Fa Hianao Mpitondra
Izao rehetra izao.

3 Re any lavitra any
Izao ny herinao,
Ka isam-bazan-tany
Hiondrika Aminao ;
Mpanjaka sy Mpitsara
Mahery Hianao ;
Miadana ny tany
Miankina Aminao.