FFPM 7
7 - Misaora an’Andriamanitra
1 Misaora an’Andriamanitra,
Izay nanao ny lanitra,
Namorona ny tany koa
Sy izay rehetra mahasoa

2 Derao ny voninahiny,
Ankalazao ny heriny,
Jereo ny fitiavany
Tsy tambonao tononina

3 Dia avy izahay izao,
Ry Tompo be fitia ô !
Miondrika eo imasonao
Midera ny Anaranao

4 Isaorana mandrakizay
Hianao, Andriamanitray !
Ny haja be indrindra izao
Atolotray mpanomponao.