8 - Dera, laza, hery, haja
1 Dera, laza, hery, haja,
Ho an’Andriamanitra
Tompon’aina, Zanahary,
Rain’ny voninahitrao.
Izy no Mpanao antsika
Sady ivelomana ;
Fototr’aina, foto-tsoa,
Izy ivavahana :
Hihira isika hoe :
Haleloia !
Dera ho an’Andriamanitra.
2 Ray tsy toha, tsy miova,
Tia sy mamindra fo,
Mahasoa isan’andro,
Izy no isaorana ;
Vatolampy tsy mifindra,
Tokin’ny olombelona ;
Fiarova-mahavonjy,
Izy itokianay :
Hihira isika hoe :
Haleloia !
Dera ho an’Andriamanitra.