FFPM 9
9 - Ry Tompo Zanaharinay
1 Ry Tompo Zanaharinay !
Manati-tsaotra izahay,
Fa efa novelominao
Ka tratr’izao anio izao.

2 Ny aizina efa lasa izao,
Mazava no naposakao ;
Levony koa ny otanay,
Ka hazavao ny hevitray.

3 Ny asanay hatao anio
Atrehonao ka mba tahio,
Hatao ho voninahitrao,
Handraisanay ny antranao.

4 Derainay Hianao, ry Ray !
Derainay Jeso Tomponay.
Derainay ny Fanahy koa,
Derainay fa Mpanisy soa.