10 - Ry Tomponay Tsitoha ô!
1 Ry Tomponay Tsitoha ô !
Mpanao izao tontolo izao,
Ankalazainay Hianao
Fa lehibe ny herinao.
2 Ny hiran’ny anjelinao
Manerana ny lanitra
Manehoeho fatratra
Ny hobin’ny voavotra.
3 Fa masina, fa masina
Fa masina i Jehovah !
Ka henika ny lazanao
Ny tany sy ny lanitrao
4 Ireo mpitory irakao
Mihoby eo anilanao,
Nahefa fanompoana,
Nihira ny fisaorana.
5 Izao olona rehetra izao
Dia mino sy manaiky Anao
Ho Ray tsy miova sady to,
Mahery sy Mpamindrafo.
6 Ny Zanakao nirahinao
Sy ny Fanahy Masinao
Isaoranay Anao, ry Ray,
Fa foto-pamonjena anay !
7 Ry Kristy ô, Mpanjakanay,
Mitovy hery amin-dRay
Ny fitiavanao anay
No nisoloanao anay.
8 Ny lozam-pahafatesana
Novanao ho fiainanana,
Izany no hiananay
Na eto na rahatrizay.
9 Ao an-kavanan-dRainay ao
No itoeranao izao,
Fa mbola hidina indray,
Hitsena sy handray anay.
10 Ka faly fa haíditra
Ho mponina ao an-danitra
Izahay izay navotanao,
Hiombon-dova Aminao.
11 Tariho làlana izahay
Vimbinonao ny dianay
Ho isan’andro vaky izao
Hambaranay ny lazanao.
12 Vonjeonao ry Tompo ô !
Vonoy ny ratsy ao am-po,
Ka hasoavy izahay,
Ambara-pahafatinay.
13 Fa lehibe ny antranao,
Mahery koa Hianao,
Ka dia matoky izahay,
Ry Tompo Zanaharinay.