11 - Endrey ny voninahitrao
1 Endrey ny voninahitrao
Ry Ray Tsitoha ô !
Endrey ny fiandriananao
Hajainay eram-po.
2 Ny herinao, ny andronao,
Dia mandrakizay !
Ny lanitra mitsaoka Anao
Ry Andriamanitray.
3 Ny tavanao mamiratra
Ny fahamasinanao
Sy hery tapitr’ohatra
Ny fahendrenao soa.
4 Endrey, matahotra aho izao,
Ry Tompo Masina ô !
Mangovitra eo imasonao
Sao dia lavinao.
5 Na dia ambony Hianao,
Dia nidina amiko
Nitondra fihavanana,
Ka dia mba tiako.
6 Koa aiza re no misy ray
Mitovy Aminao :
Mikarakara tsara anay
Izay natsanganao.
7 O, mahagaga Hianao,
Ry Tompo tia anay,
Ny fonay dia hatoky Anao
Ambara-podinay.