13 - Misaora ny Mpahary
1 Misaora ny Mpahary,
Tsarovinao ny asany
Misaora ny Mpahary
Derao ny soa vitany !
Ny helokao rehetra
Dia voavelany,
Fa tsy mba misy fetra
Ny fitiavany :
Ny Zanany nafoiny
Mba ho mpamonjinao,
Ka hianao nantsoiny
Handray ny aim-baovao.
2 Ny toky izay nomeny,
Sy ny fahasoavana,
Maharitra ireny
Tsy manam-pahataperana,
Avelany tokoa
Ny hatezerany,
Ka tsy mba hahavoa
Antsika olony,
Fa Izy mahalala
Ny toetsika atý,
Ka tena Ray mandala
Antsika zanany.
3 He, toy ny voninkazo
Ny ain’ny olombelona,
Tsy ela dia malazo
Ka tena mora levona,
Fa Jeso manan-kery
Hamoha fasana,
Tsy hisy izay ho very
Ny olo-masina ;
Isika vovotany
No namboariny
Hiombom-panjakana
Sy laza aminy.
4 Misaora ny Mpahary,
Ry tany sy ny lanitra !
Ry zava-boahary,
Derao Andriamanitra !
Ry irany mahery
Manao ny sitrany,
Ry zanany izay very,
Kanefa hitany,
Misaora Azy àry,
Fa heniky ny soa,
Misaora ny Mpahary,
O, ry fanahiko !