14 - O, ry tany rehetra, avia izao
1 O, ry tany rehetra, avia izao
Hidera ny Tompo
Mpanavotra anao
Ny Tompo miantso
antsika hankao
Anatrehany, mba
hohasoaviny ao :
Dera, laza anie
Voninahi-dehibe,
Ho Anao, ry Tomponay
Tsitoha ô !
Amen.
2 He, Jehovah miantra
antsika izao,
Ka dia manolotra
antsika indray
Ny endriny mbamin’ny
aina vaovao ;
Eny, Izy Manaiky
tokoa ho Ray
Dera, laza, ..sns.
3 Asandrato ny feo hihoby
hoe :
Isaorana mandrakizay
Hianao,
Ry Tompo Mahery,
Izay manome
Ho anay olom-bery
ny aina vaovao ;
Dera, laza, ..sns.