15 - Avia hankalaza
1 Avia hankalaza
Ny Tompo lehibe,
Fa feno hery, haja,
Jehovah Masina e
Andeha mitambara,
Ry vazan-tany รดย !
Miankohofa tsara
Hanaja Azy izao.
2 Ry Tomponay Tsitoha
Indreto izahay,
Manondrika ny loha,
Midera Anao, ry Ray
Ny fonay sy ny hery,
Fanahy, saina koa,
Omena Anao irery,
Ka anjakao tokoa.
3 Mpanjaka tena hendry
Hianao, ry Tomponay,
Ka tena mahakendry
Izay hahasoa anay ;
Na misy toa mangidy
Ny fitondranao soa
Ny saina sy safidy
Manaiky Anao tokoa.
4 Manerana ny tany
Izao ny lazanao,
Ka be tsy hita lany
Ny voninahitrao ;
Koa hira fiderana
Ventesinay izao
Haleloia, Hosana !
Mba raiso ho Anao.