16 - Avia ry vazan-tany ô !
1 Avia ry vazan-tany ô !
Sy mponina ao an-danitra
Miraisa feo ka mihirà
Ny fanavotan-dehibe,
:,: Izay amonjena marobe,
Dia vita re ka miderà :,:
2 Avia ry fiangonana ô !
Mba asandrato re ny feo
Hidera ny Mpanavotra ;
Na atý an-efitra aza izao,
:,: Hirao am-pandehanana
Ny hira soan’i Ziona :,:
3 Avia ry voavonjy ô !
Ka mifalia avokoa,
Fa afa-doza hianareo ;
Miraisa feo, ka mihirà,
:,: Derao, derao, fa mendrika
Ilay nanavotra anareo :,:
4 Avia ry olom-bery ô !
Izay mandre ny teny soa
Hoe : « Manatòna Ahy izao »
Anio ny Tompo mba fidio ;
:,: Ny fitiavany valio ;
Ny fiderany koa hirao :,: