17 - Haja sy voninahitra
1 Haja sy voninahitra
Omena an’Andriamanitra,
Fa Izy ihany no mahefa
:,: Izay sitrakin’ny fony :,:
2 Masina, tsy azo haratsina,
Mahery, tsy azo resena ;
Marina, tsy azo laingaina ;
:,: Hendry, tsy azo fitahina :,:
3 Ny am-po toy ny am-bava;
Ny maizina toy ny mazava
Ny takona toy ny miseho ;
:,: Tsy misy àry tsy hitany :,:
4 Tsy miova ny fombany ;
Lehibe ka tsy oharina ;
Tia, tsy azo arovana ;
:,: Miantra, tsy azo ferana :,:
5 Saotra amam-bavaka atao
Dera sy laza ho Azy ;
Izy no ivavahana
:,: Fa anton’izao tontolo izao :,: