18 - Ny feonay rehetra izao
1 Ny feonay rehetra izao
Dia entinay midera Anao,
Ry Andriananaharinay !
Na ambany aza izahay,
:,: Dia tianao :,:
Ry Andriananaharinay !
2 Ny andronay rehetra izao
Dia entinay manoa Anao,
Ry Tompo sy Mpanjakanay !
Satria izao dia fantatray
:,: Fa tianao :,:
Ry Tompo sy Mpanjakanay !
3 Ny hevitray rehetra izao
Dia enti-mankalaza Anao,
Ry Tompo Mpanasoa anay !
Mpitahy ny fanahinay,
:,: Fa tianao :,:
Ry Tompo Mpanasoa anay !
4 Ny herinay rehetra izao
Dia iasanay ho Anao,
Ry Aronay sy Tanjakay !
Miezaka tokoa izahay,
:,: Fa tianao :,:
Ry Aronay sy Tanjakay !
3 Rehefa alainao izahay,
Ka tapitra ny andronay,
Hamantana any Aminao
Izahay arĂ½ an-danitrao,
:,: Fa tianao :,:
Hamantana any Aminao.