19 - Misaotra Anao izahay izao
1 Misaotra Anao izahay izao,
Jehovah Ray !
Fa efa notohizanao
Ny andronay,
Ka tonga atý an-tranonao
Indray izahay.
2 Misaotra Anao izahay izao,
Ry Mpanome !
Ny soa avy Aminao
Tsy lany re,
Fa isan-andro misy izao
Ka maro be.
3 Misaotra Anao ‘zahay izao,
Ry Rainay soa !
Ny helokay navelanao
Nefa iza moa
No mahalaza izay natao ?
Fa be tokoa.
4 Misaotra Anao ‘zahay izao,
Ry mora fo !
Ny mafy tsy sakananao
Fa mba hanjo,
Fa be ny fanirianao
Anay hadio.
5 Misaotra Anao ‘zahay izao,
Ry Tomponay !
Ao aminao an-danitrao
Honenanay,
Fa misy fitsaharana ao
Mandrakizay.