20 - Tsaroanay tokoa izao
1 Tsaroanay tokoa izao
Ny soa be noraisainay
Tsy tapaka avy taminao
Ry Andriananaharinay !
2 Ny lasa itodihana
Dia mampiseho avokao
Ny tanam-pitiavana
Miahy sady manasoa.
3 He ! koa ity andronay ity,
Izay diavinay izao,
Dia voahodidina erý
Ny fitahiana aminao !
4 Dia tokinay tokoa izao
Fa mbola ho arovanao
Anio, ampitso, rahatrizay,
Izay miankina Aminao.
5 Ka dia mba velomy re
Atý anatinay ny fo
Hahay misaotra Anao anie
Ry Rainay be famindram-po !