21 - Derao Andriamanitra
1 Derao Andriamanitra
Ry vazan-tany efitra,
Fa izy no mamindra fo,
Ka mety manome ny zo,
Naniraka ny Zanany
Hanavotra ny olony !
Ny sandriny tsy toha re,
Fa manan-kery lehibe.
Malaza ny Anarany,
Fa lehibe ny asany.
2 Ny zavatra rehetra e
Ny ranomasin-dehibe,
Ireo tendrombohitra,
Ny saha feno ahitra,
Ny hazo sy ny vorona
Ny vato sy ny zavona,
Ny voninkazo manitra,
Ny endriky ny lanitra
Dia samy tsy mijanona
Midera ny mpamorona.
3 Ry olona navotana
Mba mitsangàna faingana,
Ka miderà ny Tomponao,
Izay nanavotra anao,
Fa he, ny voninahiny
Manerana ny taniny
Tendreo ny valihanao
Ka miventesa hira vao :
Ry voavonjy ô, derao ny Ray
Mpamorona anao !