22 - Ry Rainay Izay namorona
1 Ry Rainay Izay namorona
Izao rehetra izao,
Ny hita sy ny takona
:,: Dia asan-tananao :,:
2 Ny volana aman-kitana,
Ny biby marobe,
Ny ala maitso mavana
:,: Hitsaoka Anao anie :,:
3 Ny tany sy ny lanitra,
Ny ranomasina,
Ireo tendrombohitra
:,: Manolo-kasina :,:
4 Ny ory sy ny mpanana,
Dia fototra iray,
Fa samy asan-tanana
:,: Nataonao Tomponay :,:
5 Dia saotra no atolotray,
Anao, ka raisonao,
Fa fanomezan-ko anay
:,: Ny asan-tananao :,: