FFPM 23
23 - Tsy misy zava-mahasoa
1 Tsy misy zava-mahasoa,
Andriamanitra ô !
Izay tsy nataonao ho anay
Mba hifalianay.

2 Tsy misy singan’ahitra,
Na ravin-kazo koa,
Izay tsy amantaranay
Fa hendry Hianao.

3 Ny kintana mazava erý
Maneho avokoa
Fa sitrakao hanafaka
Ny aizina aminay.

4 Izay rehetra tazanay
Dia voninahitrao ;
Izay rehetra takona
Milaza izany koa.

5 Ny tany sy ny lanitra
Nataon’ny herinao
Dia azo ianarana
Ny famindramponao.