24 - Ny lanitra ao ambony ao
1 Ny lanitra ao ambony ao,
:,: Andriamanitra ô !
Izay rehetra vitanao
Dia mahagaga anay. (in-3)
2 Ny volana aman-kitana,
:,: Ny masoandro koa,
Ny tany aman-danitra,
Mitory avokoa. (in-3)
3 Ny andro amana alina,
:,: Milaza aminay
Fa hendry Andriamanitra,
Jehovah Tomponay. (in-3)
4 Ny tenanay, fanahy koa,
:,: Dia avy taminao
Ka mampiseho tsara koa
Ny voninahitrao. (in-3)
5 Izay rehetra vitanao,
:,: Atý sy any koa
Miara mankalaza Anao
Fa Tompony tokoa. (in-3)