25 - Andriamanitra hendry
1 Andriamanitra hendry,
:,: Loharanon-tsaina :,:
:,: Ka manolo-pahendrena
Izay manaiky Azy :,:
2 Andriamanitra mahay,
:,: Izao rehetra izao :,:
:,: Ka Izy no akana saina
Hahahendry antsika :,:
3 Ary isika mila saina,
:,: Hanitsy antsika :,:
:,: Amin’ny fianarana
Hanarahana Azy :,:
4 Izy no ihavian’
:,: Ny soa rehetra :,:
:,: Hiainana mandrakizay,
Ka Izy no omen-tsaotra :,: