FFPM 26
26 - Jehovah tsy mba manadino
1 Jehovah tsy mba manadino
Ny mpanompony manoa,
Fa hotsarovany ireo mino
Nofidiny ho Azy koa.
Manerinerina ambony
Ny fiandrianany ;
Kanefa kosa re ny fony
Mitsinjo izay ambany.

2 Izaho dia ravoravo
Ka midera Azy izao ;
Fahasoavanao, Ry Avo,
No namonjy hatrizao,
Fahavokisan’ny fanahy
Ary fisandratana
No hotantaninao ho ahy :
Ny foko mankalaza.

3 O, mifalia ry Israely,
Fa vonjen’ny sandriny ;
Mba matokia dia hahery
Antsoy ny Anarany :
Mpanomponao ity mitalaho,
Ka henoy ny hatako,
O, ry Mahery, inty aho !
Ny sitrakao ekeko.