27 - Fitiavana tokoa re
1 Fitiavana tokoa re,
ny Ray an-danitra
Fa manolo-java-tsoa
Tena mahasambatra
Ho antsika izay mpanota,
Ory, osa, rera-po,
Izy masina sy to
Ta-hanaisotra ny ota
Noho ny fanavotana
Vitan’i Jesosy e !
2 Tsy ho very, ry mahantra
Sy miferin’aina izao,
Fa ny Ray Izay feno antra,
Aoka mba hinoanao.
Sambatra ny voavela
Heloka tokoa re,
Fa Jesosy manome
Fanavaozam-po sy lela,
Hira fideram-baovao
No ho re an-dalalanao.
3 O, ry Rainay be fitia,
Mba ampio izahay,
Tsy ho kivy, tsy hania
Ao am-pandehananay,
Fa handroso mba hankany
Aminao an-danitra.
Ry Andriamanitra,
Be ny loza atý an-tany
Fa ny ranomasonay
Faohinao rahatrizay.