FFPM 28
28 - Zanahary tsy mba tia
1 Zanahary tsy mba tia
Ny fahaverezanao
Izy, Rainao be fitia,
Tsy mba mahafoy anao.
Ny famoizam-po ario,
Fa Jesosy itokio,
Mba hatoninao anio
Ilay be fahasoavana !

2 Izy dia nitady ela,
Vao nahita anao izao ;
Mifalia, tsy ho ela
Dia hody hianao.
He, ry ondry saiky very,
Ory, osa, feno fery,
Ny Mpamonjy manan-kery
Hahasitrana anao !

3 Ny ao an-danitra mifaly,
Raha misy miova fo,
Ary any ny anjely
Miramirana avokoa.
Fo marary dia tsaboiny,
Ahiahim-po vonoiny,
Fiadanana lazainy ;
Sambatra isika re !