29 - Ry foko, mitsangàna izao
1 Ry foko, mitsangàna izao
Ka miderà ny Tomponao,
Andriamanitsika.
Nasehony ny heriny.
Ny fasana levoniny
Tsy hahatàna antsika.
Derao ! Hobio !
Haleloia sy hosana,
Fanjakana :
Azy Tompom-pahefana.
2 He ! vitanao Mpanavotra
Ny lova mahasambatra :
Ny fasana resenao.
Mahazo toky fatratra,
Ny mitomany, sasatra :
Ny lanitra vohanao.
Jeso Kristy
Izay nitsangana maraina
Tompon’aina :
Andro Paska, arahabaina.
3 Derao ny voninahiny !
Ankalazao ny heriny,
Fa resy re satana.
Ry tany sy ry lanitra,
Derao Andriamanitra
Akaro ny hosana.
Raiso Tompo,
Raisonao ny voninahitra
Aman-dera :
Ho anao, ry Zanakondry.