FFPM 31
31 - Misaotra Anao izahay, ry Ray
1 Misaotra Anao izahay, ry Ray,
Fa sitrakao homena ho anay
Ny Zanakao malalanao ;
Ilay tokanao no he natolotrao.
Atolotray ny saotranay,
O ! Raisonao anie Jehovah Ray.

2 Misaotra Anao, Jesosinay,
Ny fitiavanao tsarovanay :
Nalatsakao ny rĂ nao soa
Hanavotra aina ny mpanota voa ;
Atolotray ny saotranay
Ka raisonao e, ry Jesosinay.

3 Misaotra Anao, Fanahy koa,
Mamelona sy monina ao am-po.
Havaozy ao anaty ao
Ho tonga lapanao madio sy vao
Atolotray ny saotranay
Ka raiso, ry Fanahy tokinay.