32 - Misaotra Anao izahay
1 Misaotra Anao izahay
Jehovah Tompo ô !
Fa efa naharay
Ny soa taminao.
Ka lalandava no
Isaoranay Anao
Ho eo am-bavanay tokoa
Ny teninao.
2 Fa reharehanay
Sy famonjena koa
Ny Tompo tia anay,
Tsy manam-paharoa.
Ny fandresena soa,
Ny fiononam-po
Dia avy taminao,
Ka hery manavao.
3 Ny olo-mino Anao
Sy ireo mpanomponao
Na velona na maty,
Dia misaotra Anao.
Ka sambatra tokoa
Fa manana Anao
Izahay, ry reharehan’
Ny Fanahy ô !