33 - Tompo ô, tsy takatray
1 Tompo ô, tsy takatray
Ny hasoan’ny antranao ;
Zava-mahagaga anay
Ny fitiavanao.
He, mpanota izahay,
Nefa hasoavinao ;
Avotr’aina azonay,
Misaotra no atao.
2 Tompo ô, Mpanjakanay,
Fatratra ny herinao :
Ts’isy zavatra izay
Mahasakana Anao !
Nefa mora fo Hianao
Fa mandefitra aminay,
Koa dia misaotra Anao
Fa afaka izahay.
3 Tompo Andriamanitray,
Avy izahay izao :
Raiso ny fiainanay ;
Anao, ka anjakao.
Tompo ô, tsy takatray
Ny hasoan’ny antranao ;
Zava-mahagaga anay
Ny fitiavanao.