34 - Tompo ô, Tsitoha Zanaharinay
1 Tompo ô, Tsitoha
Zanaharinay,
Asan-tànanao re
Izao rehetra izao.
Mahagaga indrindra
Ny fahaizanao
Entinao mitondra
Sy miasa ao.
2 Hianao, Jehovah
Ao mandrakizay
Na miovaova
Izao rehetra izao.
Mahagaga indrindra
Ny fitiavanao
Tsy mba mety miova
Ny mandao anay.
3 Ray niandohana
fony fahizay ;
Mbola hiafarana
koa rahatrizay.
Raiso moramora
re ny Zanakao.
Raha tonga ny ora
hiantsoanao.